Isaiah 21:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misy fahitana mampahory aseho amiko: Mamitaka ny mpamitaka ary mandringana ny mpandringana. Iakaro, ry Elama ô! Ataovy fahirano, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko: ny mpandroba, mandroba; ny mpandrava, mandrava. «Iakaro, ry Elama! Hodidino, ry Meda! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»
Malagasy Bible 1865
Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misy fahitana mampahory aseho amiko: Mamitaka ny mpamitaka ary mandringana ny mpandringana. Iakaro, ry Elama ô! Ataovy fahirano, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
malagasy
Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.