Isaiah 21:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nahita izany aho dia feno fanaintainana ny andilako; fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ny vehivavy raha miteraka; niolanolana fatratra aho ka tsy nandre; toran-kovitra aho ka tsy nahita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no nahafeno tebiteby ny valahako; voan’ny fanaintainana aho, toy ny vehivavy miteraka. Miolanolana aho, mahare izany; tsiravina aho mahita izany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin’ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nahita izany aho dia feno fanaintainana ny andilako; fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ny vehivavy raha miteraka; niolanolana fatratra aho ka tsy nandre; toran-kovitra aho ka tsy nahita.
malagasy