Isaiah 22:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo halehan’ny rano avy amin’ny lavaka famorian-drano taloha. Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay namolavola azy hatry ny ela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao fitahirizan-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo, halehan’ny rano avy amin’ny kamory tranainy. Kanefa Ilay nanao izany tsy nojerenao akory, Ilay nanomana izany hatry ny ela tsy hitanareo akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanamboatra dobon-drano teo anelanelan’ny manda roa ianareo mba halehan’ny rano mihoatra avy amin’ny fitobian-drano taloha. Nefa tsy mba nojerenareo akory Ilay nanao izao toe-javatra izao; efa nanomana izao hatry ny ela Izy saingy tsy hitanareo.
Malagasy Bible 1865
Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo halehan’ny rano avy amin’ny lavaka famorian-drano taloha. Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay namolavola azy hatry ny ela.
malagasy