Isaiah 22:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nambaran’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, teo an-tsofiko izao: Tsy hisy fanavotana ho an’izao helokareo izao ambara-pahafatinareo, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nambaran’i Iavehn’ny tafika tamiko: «Tsy havela izany helokareo izany, mandra-pahafatinareo», hoy ny Tompo Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny TOMPOn’izao rehetra izao dia mampandre ahy ny hafatra hoe: «Mianiana Aho fa mandra-pahafatinareo dia tsy havelako mihitsy izany helokareo izany. Izaho Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no efa niteny.»
Malagasy Bible 1865
Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.