Isaiah 22:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Inona no ataonao atỳ, ary iza no havanao etỳ, no manao fasana etỳ ianao? Mandavaka ny fasanao eny an-kavoana ianao sy manamboatra fonenana ho anao etỳ amin’ny harambato!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa inon’ny atỳ ianao, ary inonao no atỳ, no mihady fasana eto ianao; mihady fasana ho anao eny amin’ny toerana avo ianao; mandoaka fonenana ho anao amin’ny vatolampy ianao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Inona no anao atỳ ary inonao no atỳ, no mampandoaka ny fasana hilevenanao etỳ amin’ny havoana etỳ ianao ary mandavaka ny fonenanao rahatrizay etỳ amin’ny harambato etỳ?
Malagasy Bible 1865
Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin'ny harambato?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Inona no ataonao atỳ, ary iza no havanao etỳ, no manao fasana etỳ ianao? Mandavaka ny fasanao eny an-kavoana ianao sy manamboatra fonenana ho anao etỳ amin’ny harambato!
malagasy
Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin'ny harambato? [Heb. ho azy]