Isaiah 22:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hakodiany toy ny kodiarana ho any amin’ny tany malalaka; any no hahafaty anao ary ho any koa ireo kalesy fitondranao miady feno voninahitra, ry ilay henatry ny fianakavian’ny tomponao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hanasangodina anao, hanakodiadia anao mafy, hikodiavanao hoatry ny baolina, eny amin’ny tany lemaka midadasika be. Dia ho faty any ianao, ho any koa ny kalesy kantonao, ry ilay henatry ny ankohonan’ny tompony ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sy hahorony toy ny bolabolan-javatra ka hakodiadiany ho any amin’ny tany anankiray izay misy faritra malalaka. Any no hahafaty ny tenanao mbamin’ny kalesim-boninahitrao, ry ilay manala baràka ny ao an-tranon’ny tomponao.
Malagasy Bible 1865
Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hakodiany toy ny kodiarana ho any amin’ny tany malalaka; any no hahafaty anao ary ho any koa ireo kalesy fitondranao miady feno voninahitra, ry ilay henatry ny fianakavian’ny tomponao!
malagasy
Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.