Isaiah 22:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahantona eo aminy ny voninahitry ny fianakavian-drainy rehetra, dia ny sampany sy ny rantsany rehetra, ny fanaka madinika rehetra hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samihafa rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hahantona aminy avokoa ny voninahitra rehetra amin’ny fianakavian-drainy, dia ny zanaka aman-jafy, ny fanaka madinika rehetra, hatramin’ny kopy ka hatramin’ny sinibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa hihantona hitambesatra eo amin’i Eliakima avokoa ny sampan’ny fianakavian-drainy na ny lehibe na ny kely, ka tahaka ny fanaka madinika isan-karazany, hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny, mihantona amina tsatòka anankiray.
Malagasy Bible 1865
Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahantona eo aminy ny voninahitry ny fianakavian-drainy rehetra, dia ny sampany sy ny rantsany rehetra, ny fanaka madinika rehetra hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samihafa rehetra.
malagasy
Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.