Isaiah 22:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hesorina ilay fanantonan-javatra voatsatoka teo amin’ny toerana mafy; eny, hokapaina izany ka hianjera; dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; fa NY TOMPO no niteny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany - teny ton’i Iavehn’ny tafika,- hotsoahana ilay fantsika natsatoka amin’ny fitoerana mafy; hombotana izy ka hianjera, dia ho levona ny entana nahantona taminy; fa efa niteny i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hiletsy ilay tsatòka natsatoka teo amin’ny toerana mafy; hiala izy ka hianjera, ary ho vaky avokoa ireo entana rehetra nahantona teo.» Izany no nambaran’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hesorina ilay fanantonan-javatra voatsatoka teo amin’ny toerana mafy; eny, hokapaina izany ka hianjera; dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; fa NY TOMPO no niteny.
malagasy