Isaiah 22:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa misy andron’ny horohoro sy fanosihosena ary fahaverezan-kevitra avy amin’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ao amin’ny Lohasahan’ny Fahitana: Rava ny manda, ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa andron’ny tabataba, fanosihosena, fahaverezan-kevitra ity, ka nalefan’ny Tompo Iavehn’ny tafika, ho any amin’ny Lohasahan’ny fahitana; ravana ny manda, misy dradradradra re eny an-tendrombohitra eny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria amin’ity andro anio ity ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no mandefa fisavoritahana sy faharesena ary fahaverezan-kevitra ho antsika.» Rava ny manda eo amin’ny lohasahan’ny fahitana ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy!
Malagasy Bible 1865
Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa misy andron’ny horohoro sy fanosihosena ary fahaverezan-kevitra avy amin’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ao amin’ny Lohasahan’ny Fahitana: Rava ny manda, ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy.
malagasy