Isaiah 23:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny loza hanjo an’i Tiro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava izy! Tsy misy trano intsony! Tsy misy fidirana intsony! Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambaràna izany taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Faminaniana ny amin’i Tira. Migogogogoa, ry sambon’i Tarsisa, fa rava izy! Tsy misy rano intsony, tsy misy hidirana intsony! Avy any amin’ny tany Setima, no nandrenesany an’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatra momba an’i Tiro. «Midradradradrà mafy ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô, satria rava ny serananareo.» Fony izy tonga avy any amin’ny nosy Sipra no nandrenesany izany vaovao izany.
Malagasy Bible 1865
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny loza hanjo an’i Tiro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava izy! Tsy misy trano intsony! Tsy misy fidirana intsony! Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambaràna izany taminy.
malagasy
[Faminaniana ny amin'loza hanjo an'i Tyro] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.