Isaiah 23:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry Sidona zanakavavy, virijiny afa-baraka! Miaingà ianao ka mità ho any Kitima! Kanefa na dia any aza dia tsy hahita fitsaharana akory ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy: «Tsy hanao fifaliana intsony ianao, ry virjiny afa-baraka, zanaka vavin’i Sidona! Mitsangàna, mità ho any Setima; na any aza anefa, tsy hisy fitsaharana ho anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny Tompo hoe: «Tsy afaka hiravoravo intsony ianareo mponina ao Tsidôna fa afa-baràka toy ny virijiny naolana. Na hiainga aza ianareo ka hiampita hatrany amin’ny nosy Sipra, dia tsy hanam-pitsaharana any akory.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry Sidona zanakavavy, virijiny afa-baraka! Miaingà ianao ka mità ho any Kitima! Kanefa na dia any aza dia tsy hahita fitsaharana akory ianao.
malagasy
Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.