Isaiah 23:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro ny tanin’ny Kaldeana, izay tsy firenena akory fahiny; fa ny Asiriana no nanorina azy ho an’ny mponina any an-tany efitra; manangana tilikambo fiambenana izy ary mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao ka mampody azy ho korontam-bato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jereo ny tanin’ny Kaldeanina, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia any an’efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mba jereo ange ity tanin’i Sipra! Tsy misy intsony ny maha firenena azy. Nataon’ny Asirianina tobim-pamaharana eo anivon-dranomasina io nosy io, ary nananganany tilikambo fitiliana sy nanorenany tanàna mimanda; kanefa lasa korontam-bato miavovona ireny.
Malagasy Bible 1865
Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro ny tanin’ny Kaldeana, izay tsy firenena akory fahiny; fa ny Asiriana no nanorina azy ho an’ny mponina any an-tany efitra; manangana tilikambo fiambenana izy ary mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao ka mampody azy ho korontam-bato.
malagasy
Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.[Na: Indro ny tanin'ny Kaldeana, Izay tsy mbola firenena fahiny, Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an'ny mponina any an-efitra]