Isaiah 23:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, toy ny andron’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona dia hiharan’ilay tononkalo momba ny vehivavy janga i Tiro hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany i Tira dia hohadinoina fitopolo taona, araka ny halavan’ny andron’ny mpanjaka iray. Ary rehefa afaka fitopolo taona no hanjò an’i Tira dia araka ilay tononkiran’ny vehivavy janga hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, izany hoe mandritra ny andro iainan’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona, dia hihatra amin’i Tiro izay nolazain’ny tonon-kira momba ny mpivarotena hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, toy ny andron’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona dia hiharan’ilay tononkalo momba ny vehivavy janga i Tiro hoe:
malagasy
Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe: