Isaiah 23:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka fitopolo taona dia hamangy an’i Tiro NY TOMPO ka hiverina amin’ny filan-karama maloto izy sady hijangajanga amin’ny fanjakana rehetra etỳ ambonin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa afaka fitopolo taona, dia izao no zavatra hitranga: hamangy an’i Tira i Iaveh, ka handray ny tambiny indray izy, dia hitolo-tena amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany, manerana an’izao tontolo izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa afaka fitopolo taona, dia hirotsaka an-tsehatra ao Tiro ny TOMPO. Hiverina hanao ny fanaony indray izy ka haka tombony mihoa-pampana amin’ny firenena rehetra eran-tany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka fitopolo taona dia hamangy an’i Tiro NY TOMPO ka hiverina amin’ny filan-karama maloto izy sady hijangajanga amin’ny fanjakana rehetra etỳ ambonin’ny tany.
malagasy
Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika. [Na: mateza]