Isaiah 23:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tombom-barony sy ny karama maloto azony dia hohamasinina ho an’NY TOMPO; tsy hotahirizina na horaketina izany fa ny tombom-barony dia ho an’izay mitoetra eo anatrehan’NY TOMPO, ho hani-mahavoky sy ho fitafiana mirenty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hatokana ho an’i Iaveh ny tombom-barony sy ny tanginy, fa tsy hangonina hiavosa na hotahirizina; satria ny azony dia ho an’ireo monina eo anatrehan’i Iaveh, hohaniny sy hivokisany ary hihaingoany fatratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa ny tombombarony sy ny vola azony dia hatokana ho an’ny TOMPO. Tsy hangonina ireny na hotahirizina fa hatao sakafo hamokisana ireo mitoetra eo anatrehan’ny TOMPO, sady hividianana fitafiana mendrika ho azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tombom-barony sy ny karama maloto azony dia hohamasinina ho an’NY TOMPO; tsy hotahirizina na horaketina izany fa ny tombom-barony dia ho an’izay mitoetra eo anatrehan’NY TOMPO, ho hani-mahavoky sy ho fitafiana mirenty.
malagasy
Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika. [Na: mateza]