Isaiah 23:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ity va ilay tanànanareo niravoravo? Hatry ny fahagola no efa niorenany sady noentin’ny tongony hivahiny lavitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ity va no renivohitrareo falifaly, izay efa hatramin’ny andro fahagola ny fiandohany, sy izay nentin’ny tongony lasa lavitra hitoetra any.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ity tokoa ve ilay tanànareo izay naresaka dia naresaka fahiny, sy efa niorina hatry ny ela ary nandeha nanjana-tany hatrany lavitra any?»
Malagasy Bible 1865
Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ity va ilay tanànanareo niravoravo? Hatry ny fahagola no efa niorenany sady noentin’ny tongony hivahiny lavitra izy.
malagasy
Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? [Izao va no tanànanao miravoravo?]