Isaiah 24:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mankalaza NY TOMPO any amin’ny fiposahan’ny mazava izy, dia ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, any amin’ny nosy any an-dranomasina!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Miderà an’i Iaveh, ianareo, any amin’ny tany atsinanana, dia ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, any amin’ny nosy any andrefana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Aoka homem-boninahitra ny TOMPO any amin’ny faritra atsinanana! Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely, aoka homem-boninahitra ny anarany eny amin’ny tany amoron-dranomasina!»
Malagasy Bible 1865
Mankalazà an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mankalaza NY TOMPO any amin’ny fiposahan’ny mazava izy, dia ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, any amin’ny nosy any an-dranomasina!
malagasy
Mankalazà an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.