Isaiah 24:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatrany am-paran’ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ny marina! Fa hoy kosa aho: Levona aho! Levona aho! Lozako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka tokoa!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Renay avy hatrany am-paran’ny tany, ny hira hoe: «Voninahitra ho an’ny marina!» - Fa hoy aho: «Maty aho! Maty aho, loza ho ahy! Ny mpandroba mandroba, ny mpandroba mandroba tsy anerany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.
Malagasy Bible 1865
Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatrany am-paran’ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ny marina! Fa hoy kosa aho: Levona aho! Levona aho! Lozako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka tokoa!
malagasy