Isaiah 24:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; izay miakatra avy ao anatin’ny lavaka dia ho voarain’ny fandrika; fa misy varavarana mivoha any amin’ny avo, ary mihovotrovotra ny fanorenan’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay mandositra noho ny antso mampatahotra ho latsaka an-davaka, ary izay miakatra avy ao afovoan’ny longoa ho voan’ny fandrika. Fa ny vavahadin-drano ambony, mivoha; ary ny fanorenan’ny tany, mihozongozona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izay mandositra ny kiakiaka vokatry ny fampihorohoroana, dia ho latsaka ao anatin’ny longoa; ary izay tafakatra avy ao amin’ny longoa dia ho voan’ny fandrika harato. Misokatra ny hidin-drano any ambony, ka mihozongozona ny fanorenan’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin'ny lavaka dia ho voan'ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin'ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; izay miakatra avy ao anatin’ny lavaka dia ho voarain’ny fandrika; fa misy varavarana mivoha any amin’ny avo, ary mihovotrovotra ny fanorenan’ny tany.
malagasy