Isaiah 24:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hangonina tahaka ny mpifatotra ao an-davaka izy ireo ka hohidina any an-tranomaizina. Ary rehefa afaka andro maro dia hampamoahina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hatambatra efa voababo eny amin’ny hantsana sy hohidiana ao an-tranomaizina izy ireo, ka afaka andro maro be, vao hovangiana indray izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hangonina tahaka ny mpifatotra ao an-davaka izy ireo ka hohidina any an-tranomaizina. Ary rehefa afaka andro maro dia hampamoahina izy.
malagasy
Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy. [Na: hovaliana]Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon'ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ny loholony dia misy voninahitra.