Isaiah 25:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, Andriamanitro Ianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa nahavita zava-mahagaga Ianao, zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady azo antoka no mafy orina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro. Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho, satria notanterahinao ny zava-mahagaga izay efa nokasainao hatry ny elabe sady mafy orina sy azo itokiana.
Malagasy Bible 1865
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, Andriamanitro Ianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa nahavita zava-mahagaga Ianao, zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady azo antoka no mafy orina.
malagasy
[Hira fisaorana an'Andriamanitra noho ny soa nataony ho an'ny olony sy ny nampijaliany ny fahavalony kosa] Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.