Isaiah 25:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hamelatra ny tanany ao anatin’izany izy, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; fa NY TOMPO kosa mampietry ny fiavonavonany sy ny fahamailamailaky ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Haninji-tanana ihany izy, ao anatin’izany fotaka izany, toy ny mpilomano maninji-tanana hilomano; nefa haetrin’i Iaveh ny avonavony, na hanampatra ny heriny rehetra aza ny tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao izy no hitsiparaka tanana toy ny fanaon’ny mpilomano; nefa hampietry ny avonavon’i Môaba ny TOMPO na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hamelatra ny tanany ao anatin’izany izy, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; fa NY TOMPO kosa mampietry ny fiavonavonany sy ny fahamailamailaky ny tanany.
malagasy
Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany. [Heb. Izy]Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.