Isaiah 25:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; ilay tanàna mimanda dia tena rava tanteraka; ny lapan’ny hafa firenena dia tsy hita tao an-tanàna intsony; tsy hatsangana mandrakizay intsony ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato, ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava, ny trano mimandan’ny barbarianina, tsy mba tanàna intsony, sady tsy hatsangana mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna, noravanao tokoa ny tanàna mimanda; tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan’ny mpiavonavona sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.
Malagasy Bible 1865
Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; ilay tanàna mimanda dia tena rava tanteraka; ny lapan’ny hafa firenena dia tsy hita tao an-tanàna intsony; tsy hatsangana mandrakizay intsony ireo.
malagasy
Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny; [Heb. hafa firenena]