Isaiah 25:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny fandresenao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban’ny firenena hafa; eny, tahaka ny hainandro resin’ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran’ny mpampihorohoro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny firehitry ny hainandro amin’ny tany karankaina, no amolahanao ny fidohadohan’ny barbarianina. Toy ny andresen’ny aloky ny rahona ny firehitry ny hainandro, no handresena ny akoram-pandresen’ny mpampahory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
na toy ny hainandro mitarika tany karakaina. Resenao ny tabataban’ny mpiavonavona; eny, toy ny andrakofan-drahona ny hainandro no ampanginana tsy ho re intsony ny hiram-pandresen’ny mpanjakazaka.
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin'ny hainandro resin'ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran'ny olon-dozabe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny fandresenao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban’ny firenena hafa; eny, tahaka ny hainandro resin’ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran’ny mpampihorohoro.
malagasy