Isaiah 25:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity; fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, hena matavy, be tsoka, divay efa niotrika ela, voadio tsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eto amin’ity tendrombohitra Tsiôna ity, ny TOMPOn’izao rehetra izao dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy ombàn-divay niotrika ela, dia hena matavy be sy feno tsoka ary divay niotrika ela sady voadio tsara.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity; fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, hena matavy, be tsoka, divay efa niotrika ela, voadio tsara.
malagasy