Isaiah 25:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; NY TOMPO Andriamanitra no hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafoana eny amin’ny tany rehetra ny fahafaham-baraka amin’ny olony. NY TOMPO no niteny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny ranomaso amin’ny tava rehetra, ary hoesoriny ny fahafaham-baràka nahazo ny vahoakany manerana ny tany. Izany no nampanantenain’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.