Isaiah 25:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Holazaina amin’izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika izay nantenaintsika hamonjy antsika. Indro NY TOMPO izay nandrasantsika, koa aoka isika hifaly sady hiravoravo amin’ny famonjeny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia i Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany no hilazana hoe: «Indro ny Andriamanitsika. Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny. Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika, koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!
Malagasy Bible 1865
Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Holazaina amin’izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika izay nantenaintsika hamonjy antsika. Indro NY TOMPO izay nandrasantsika, koa aoka isika hifaly sady hiravoravo amin’ny famonjeny!
malagasy
Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika.