Isaiah 26:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy dia tsy mety mianatra fahamarinana; eny, mbola manao meloka ihany izy na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy dia tsy mety mianatra fahamarinana; eny, mbola manao meloka ihany izy na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’NY TOMPO.
malagasy