Isaiah 26:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, avo ny tananao ka tsy jeren’ireo; Tsy maintsy ho jereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ny olonao ka ho menatra izy; eny, afo no handevona ny fahavalonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory. Aoka ho menatra izy raha mahita ny zotomponao hiaro ny vahoakanao; eny, aoka handevona azy ny afo izay natokanao ho an’ny fahavalonao!
Malagasy Bible 1865
Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny  fahasaro-piaronao amin'ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, avo ny tananao ka tsy jeren’ireo; Tsy maintsy ho jereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ny olonao ka ho menatra izy; eny, afo no handevona ny fahavalonao.
malagasy
Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao]