Isaiah 26:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho velona indray ny olonao izay efa maty! Hitsangana ny fatin’ny oloko! Koa mifohaza sy mihobia ianareo izay mandry ao amin’ny vovoka! Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany dia hiteraka ny maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho velona indray ny olonao efa maty; hitsangana indray ny fatin’ny oloko. Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka, fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana; ary ny tany hamoaka indray ny maty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho velona indray ireo maty ao aminao, ry fireneko, ary hitsangana ny fatiny. Hifoha sy hanao hobim-pifaliana ireo matory ao amin’ny vovo-tany, fa handefasan’ny Tompo andom-pahazavana ianao ka hateraky ny tany indray ireo nodimandry.
Malagasy Bible 1865
Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho velona indray ny olonao izay efa maty! Hitsangana ny fatin’ny oloko! Koa mifohaza sy mihobia ianareo izay mandry ao amin’ny vovoka! Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany dia hiteraka ny maty.
malagasy
Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty. [Na: ando amin'ny anana][Heb. ny matoatoa]