Isaiah 26:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro NY TOMPO mivoaka avy amin’ny fitoerany hampamoaka ny mponina amin’ny tany ny helony; hampiseho ny ra izay nofohiny ny tany ka tsy hanafina intsony ny olona izay novonoina teo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro i Iaveh mivoaka avy amin’ny fonenany, hizaha ny tsy fahamarinan’ny mponina amin’ny tany; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny, ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro NY TOMPO mivoaka avy amin’ny fitoerany hampamoaka ny mponina amin’ny tany ny helony; hampiseho ny ra izay nofohiny ny tany ka tsy hanafina intsony ny olona izay novonoina teo aminy.
malagasy
Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.