Isaiah 27:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany, ny sabatry NY TOMPO, izay mafy sady lehibe no mahery, no hoentiny mamaly ny leviatana, ilay menarana mandositra, ny leviatana, ilay menarana miolikolika, ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany i Iaveh hamaly, amin’ny sabany sady lehibe no mahery, an’i Leviatàna ilay menarana faingam-pandeha, an’i Leviatàna ilay menarana miforiporitra, ka hamono ilay bibibe izay ao an-dranomasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra ny TOMPO ka handray sabatra mafy sady lehibe no mahery hamelezana ny Leviatana, ilay bibilava mitsoriaka sy mihorongorona; ary hovonoin’ny Tompo izany dragona an-dranomasina izany.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany, ny sabatry NY TOMPO, izay mafy sady lehibe no mahery, no hoentiny mamaly ny leviatana*, ilay menarana mandositra, ny leviatana, ilay menarana miolikolika, ary hovonoiny ilay dragona* ao an-dranomasina.
malagasy
Amin'izany andro izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.