Isaiah 27:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hahintsan’NY TOMPO hatreo amin’ny ony Eofrata mandriaka ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ianareo ary samy hotsimponina tsirairay ianareo, ry Zanak’Israely!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: hahintsan’i Iaveh ny vary hatramin’ny masondranon’ny Ony, ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia hotazana tsirairay ianareo, ry zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia hovelesin’ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja manomboka eo amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta. Amin’izay ianareo, ry Israelita, dia samy hotsimponina tsirairay.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hahintsan’NY TOMPO hatreo amin’ny ony Eofrata mandriaka ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ianareo ary samy hotsimponina tsirairay ianareo, ry Zanak’Israely!
malagasy
Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.[Na: fivelezam-bary]Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.