Isaiah 27:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hotsofina ny anjomara lehibe; dia ho avy izay very tany amin’ny tany Asiria sy izay efa niely tany amin’ny tany Ejipta ka hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO eo amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: haneno ny trômpetra lehibe, ka izay very tany amin’ny tanin’i Asora, mbamin’izay voasesitany, tany amin’ny tany Ejipta, dia hody ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh, ao amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia hanakoako ny feon’ny anjomara lehibe; ka ho tonga avokoa ireo very tany Asiria na ireo tafaely tany Ejipta mba hiankohoka eo anatrehan’ny TOMPO ao an-tendrombohitra masina any Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hotsofina ny anjomara lehibe; dia ho avy izay very tany amin’ny tany Asiria sy izay efa niely tany amin’ny tany Ejipta ka hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO eo amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.
malagasy