Isaiah 27:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho TOMPO no mpiaro io, isaky ny indray mipy maso no anondrahako azy, fandrao misy manimba azy, dia miambina azy Aho na andro na alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho Iaveh no miambina azy; manondraka azy mandrakariva Aho; ary sao hisy olona hiditra ao aminy, miambina azy andro aman’alina Aho:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izaho TOMPO no mpiaro azy ka manondraka azy amin’ny fotoana sahaza; ambenako izy na andro na alina fandrao misy manimba.
Malagasy Bible 1865
Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho TOMPO no mpiaro io, isaky ny indray mipy maso no anondrahako azy, fandrao misy manimba azy, dia miambina azy Aho na andro na alina.
malagasy
Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.