Isaiah 27:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa? Tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa nasiana toy ny namelezana an’ireo namely azy va izy? Moa novonoina toy ny namonoana an’ireo namono azy va izy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nokapohin’ny Tompo ireo nikapoka ny vahoakany; toy izany koa ve no nikapohan’ny Tompo ilay vahoakany? Naripaky ny Tompo ireo nandripaka ny vahoakany; toy izany koa ve no nandripahan’ny Tompo ilay vahoakany?
Malagasy Bible 1865
Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa? Tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
malagasy
[Ny namaizan'i Jehovah ny Isiraely sy ny mbola hamindrany fo aminy] Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?