Isaiah 27:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, ary izao ihany no vokatry ny fanesorana ny fahotany: Ny hanaovany ny vato rehetra amin’ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny tsangambato ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, ary izao ihany no vokatry ny fanesorana ny fahotany: Ny hanaovany ny vato rehetra amin’ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* sy ny tsangambato ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
malagasy
Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na sariny][Na: tsangam-bato]