Isaiah 28:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozan’ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ny firavany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaky ny olona mamon-divay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Loza ho an’ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozan’i Samaria, tanàna izay satroboninahitra sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma! Erỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka izy, ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo eny an-dohan’ireo lehilahy mamon-divay.
Malagasy Bible 1865
Lozan'ny satro-boninahitra, izay reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozan’ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ny firavany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaky ny olona mamon-divay.
malagasy
[Ny hitsarana an'i Samaria sy Jerosalema, sy fanoharana mahamarina ny fitondran'Andriamanitra] Lozan'ny satro-boninahitra, izay reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.[Heb. matavy]