Isaiah 28:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho azy ireo, ny tenin’NY TOMPO dia hoe: Didy anampy didy aminy tokoa; eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; ampiana teny kely etsy, ampiana teny kely eroa, dia ho solafaka izy rehefa mandeha ka ho torotoro sy ho voafandrika ary ho voasambotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, ho azy ireo ny tenin’i Iaveh, dia «ho didy manampy didy, didy manampy didy; fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao mbetika izany»; mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany, ho torotoro ary ho voasambotra amin’ny fandrika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny tenin’ny TOMPO ho azy ireo dia tonga tsy misy heviny toy ny hoe: «TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV. KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV. Indray mandeha ity, indray mandeha irỳ. Ka farany ho tafintohina izy raha mandeha, dia hianjera mitsilany ka hahasimba ny voany, ary hifaningotra tongotra ka tsy ho afa-miarina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tenin'i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho azy ireo, ny tenin’NY TOMPO dia hoe: Didy anampy didy aminy tokoa; eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; ampiana teny kely etsy, ampiana teny kely eroa, dia ho solafaka izy rehefa mandeha ka ho torotoro sy ho voafandrika ary ho voasambotra.
malagasy