Isaiah 28:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria miteny ianareo hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fitoeran’ny maty; koa na dia ho avy aza ny loza manafotra dia tsy hihatra aminay izany, satria ny lainga no nataonay ho fialofana ary ny fitaka no ho fierena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo manao hoe: «Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay; efa nanao fifanarahana tamin’ny Seoly izahay, ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay, fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay, ary ny fitaka ho fierena.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo manao hoe: «Efa nanao fifanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nifanaraka tamin’ny toeran’ny maty; koa na ho avy aza ny loza, dia tsy hahatratra anay, fa ny lainga no ataonay fiarovana ary ny fitaka no ataonay fierena.»
Malagasy Bible 1865
Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin'ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria miteny ianareo hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fitoeran’ny maty*; koa na dia ho avy aza ny loza manafotra dia tsy hihatra aminay izany, satria ny lainga no nataonay ho fialofana ary ny fitaka no ho fierena.
malagasy
Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin'ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, [Heb. Sheola][Heb. kotopia]