Isaiah 28:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fitsarana marina no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana no ho fandrefesana marindrano; hopaohin’ny havandra ny lainga fialofana, ary hindaosin’ny rano ny fierena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny rariny no hataoko fitsipika, ary ny fahamarinana no hataoko fandanjàna.» «Ka ny lainga fiarovana hopaohin’ny havandra; ary ny fierenao hindaosin’ny rano.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny rariny no horaisiko ho hazo mahitsy, ary ny fahamarinana no hataoko pilao. Koa hopaohin’ny havandra ny fiarovan-tsandoka ianteheranareo ary hindaosin’ny rano ny fierenareo.
Malagasy Bible 1865
Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin'ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin'ny rano ny fierena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fitsarana marina no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana no ho fandrefesana marindrano; hopaohin’ny havandra ny lainga fialofana, ary hindaosin’ny rano ny fierena.
malagasy
Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin'ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin'ny rano ny fierena.