Isaiah 28:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro ny Tompo manana izay mahery sy matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; tahaka ny fandriaky ny ranobe manafotra, no hanjerany azy mafy ho amin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa misy fahavalo mahery sy mahefa avy amin’ny Anaran’ny Tompo, tahaka ny oran-kavandra aman-tafio-drivotra mpandrava, tahaka ny ranonorana be mivatravatra ka manafotra; dia hanjera azy mafy amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro misy hery lehibe alefan’ny Tompo ka toy ny oram-baratra manavandra izany, toy ny rambon-danitra mpandrava, toy ny oram-be mandriaka mahatondra-drano: indray mipaoka monja no androdanan’ny Tompo ny tanàna manontolo hitrosina amin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro ny Tompo manana izay mahery sy matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; tahaka ny fandriaky ny ranobe manafotra, no hanjerany azy mafy ho amin’ny tany.
malagasy
Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin'ny tany.