Isaiah 28:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO hitsangana tahaka ny teo amin’ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ny lohasahan’i Gibeona Izy mba hanaovany ny asany, dia ny asany mahagaga, mba hahavitany ny ataony, dia ny ataony izay mahatalanjona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Iaveh hitsangana, toy ny tao an-tendrombohitra Farasima; sy hirimorimon’ny hatezerana, toy ny tao an-dohasahan’i Gabaôna, hahavita ny asany, asa tokana aman-tany, hanatanteraka ny lahasany, lahasa hafa noho ny fanaony!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa toy ny teo an-tendrombohitra Peratsima no hirotsahan’ny TOMPO an-tsehatra, ary toy ny tao amin’ny lemak’i Gibehôna no hihetsehany hanao ny asany sy hanatanteraka ny zavatra ataony. Kanefa asa hafa kely izany, zavatra tsy araka ny mahazatra.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin'ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin'ny lohasahan'i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO hitsangana tahaka ny teo amin’ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ny lohasahan’i Gibeona Izy mba hanaovany ny asany, dia ny asany mahagaga, mba hahavitany ny ataony, dia ny ataony izay mahatalanjona.
malagasy