Isaiah 28:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aza maniratsira intsony ianareo, fandrao vao mainka ho mafy ny famatorana anareo. Fa fahafonganana no voatendry hamelezana ny tany rehetra; izany no reko tamin’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo, fandrao mihamafy ny fatoranareo; satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin’ i Iavehn’ny tafika hahazo ny tany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, aza maniratsira intsony ianareo fandrao hihamafy kokoa ny tady eny am-bozonareo; satria ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no nandrenesako fa efa voatendry ny handravany tanteraka ity tany ity.
Malagasy Bible 1865
Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.