Isaiah 28:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’izay va ny voan’ny nigela ary tsy apariakany va ny komina, tsy alahany mitandahatra tsara va ny varimbazaha sy ny varimbazaha hafa amin’ny tany voafaritra ho azy ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa voaravony ny tany, moa tsy dia hapariakany va amin’izay ny nigela sy hafafiny ny komìna, ary hataony mitandahatra tsara ny frômenta sy ny orja amin’ny anjara toerany; ary ny epaotra kosa, eny an-tsisiny?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa rehefa voaravony ny tany, dia afafiny ny voan’anana nigela na komîna; avy eo dia alahany ny varim-bazaha sy ny ôrza amin’ny toerana voafaritra ho azy; ny ampemba kosa voleny amin’ny sisiny.
Malagasy Bible 1865
Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin'ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’izay va ny voan’ny nigela ary tsy apariakany va ny komina, tsy alahany mitandahatra tsara va ny varimbazaha sy ny varimbazaha hafa amin’ny tany voafaritra ho azy ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?
malagasy
Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin'ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny? [Na: spelta]