Isaiah 28:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ny voninkazo mihamalazo amin’ny firavany tsara tarehy izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fotoana, alohan’ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mandray, ary raha vao raisiny dia arapany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka, hanahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra: izay mahita azy, raha vantany vao mahazo azy an-tanana mandrapaka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho voahitsakitsaka am-paladia ny voninkazo mihamalazo izay haingony marevaka terỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka. I Samaria dia ho tahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra, ka izay mahita azy dia hioty ary hitelina azy indraim-bava.
Malagasy Bible 1865
Ary ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan'aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ny voninkazo mihamalazo amin’ny firavany tsara tarehy izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fotoana, alohan’ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mandray, ary raha vao raisiny dia arapany.
malagasy
Ary ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan'aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany. [Heb. matavy]