Isaiah 28:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany i Iaveh ho diadema mamirapiratra sy fehiloham-boninahitra ho an’ny sisan’ny vahoakany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany dia ny TOMPOn’izao rehetra izao mihitsy no hanjary satroboninahitra marevaka, fehiloha sy haingon’ireo sisa velona amin’ny vahoakany.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa.
malagasy
Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,