Isaiah 28:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa izy ireo dia fanimpanina azon’ny divay, ary mivembena azon’ny toaka; fanimpanina azon’ny toaka ny mpisorona sy ny mpaminany; resin’ny divay ireo, mivembena azon’ny toaka; fanimpanina amin’ny fahitana izy ary miroaroa saina ny amin’ny didim-pitsarana avoakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo koa mandraingiraingin’ny divay, jembin’ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin’ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin’ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto koa misy miraingiraingy noho ny divay ary mivembena noho ny toaka: dia ny mpisorona sy ny mpaminany izay miraingiraingy noho ny toaka sy mivembena azon’ny divay. Mivembena azon’ny toaka ireo, miraingiraingy noho ny fahitana, ka misafotofoto mamoaka didim-pitsarana:
Malagasy Bible 1865
Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon'ny divay ary mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon'ny toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny toaka izy; Miraingiraingy amin'ny fahitana izy ary midoladola eo amin'ny fitsarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa izy ireo dia fanimpanina azon’ny divay, ary mivembena azon’ny toaka; fanimpanina azon’ny toaka ny mpisorona sy ny mpaminany; resin’ny divay ireo, mivembena azon’ny toaka; fanimpanina amin’ny fahitana izy ary miroaroa saina ny amin’ny didim-pitsarana avoakany.
malagasy