Isaiah 29:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aminareo ny fahitana ny amin’izany rehetra izany dia tahaka ny teny amin’ny taratasy voaisy tombo-kase izay atolotra olona mahavaky teny ka ilazana hoe: Miangavy anao aho, vakio ity! Hoy anefa izy: Tsy azoko vakina ity satria voaisy tombo-kase.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny fahitana rehetra aminareo, dia tonga toy ny teny amin’ny boky voaisy tombon-kase; ka atolotra ny olona mahavaky teny izy, atao hoe: «Vakio ity», dia valiany hoe: «Tsy azoko atao, fa voaisy tombon-kase ity boky ity.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanambaràna izany rehetra izany ho anareo dia miafina toy ny tenin’ny raki-tsoratra voaisy tombokase. Dia omena izay mahay mamaky teny izany ka iangaviana azy hoe: «Azafady, mba vakio kely ity». Fa hamaly izy hoe: «Tsy azoko atao izany, satria voaisy tombokase io raki-tsoratra io.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aminareo ny fahitana ny amin’izany rehetra izany dia tahaka ny teny amin’ny taratasy voaisy tombo-kase izay atolotra olona mahavaky teny ka ilazana hoe: Miangavy anao aho, vakio ity! Hoy anefa izy: Tsy azoko vakina ity satria voaisy tombo-kase.
malagasy