Isaiah 29:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ny fahatahorany Ahy dia didin’olombelona ampianarina azy ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny Tompo hoe: «Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany fa ny fony kosa manalavitra Ahy; ka fomban’olombelona nianarana ihany ny fanajana asehony Ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ny fahatahorany Ahy dia didin’olombelona ampianarina azy ihany.
malagasy